Wu-Tang - Triumph - instrumental
Found at bee mp3 search engine
Free Web Hosting
compteur

Ny fiandohan'ny tarika TANGALA MAINTY dia tamin'ny volana Novambra 1998. Notsoahana avy amin'ny fivondronana tarika anankiroa ( KAP DA sy O . L ) izay efa nitsangana taona vitsivitsy teo aloha. Marihina fa ireo tarika ireo dia samy efa nanana ny lanjany teo amin'ny fandalinana ny gadona " RAP ". Enin-dahy no isan'ny mpikambana tamin'izany. Fampiaraham-peo izay niseho tamin'ny endrika fiaraha-miasa fotsiny no natao tamin'ny voalohany, ary namoahana ny hira mitondra ny lohateny hoe: " Ny Lokon'ny Aizina " tamin'ny volana Marsa 1999. Vokatr'izay anefa dia tapa-kevitra ny hitambatra ireo mpikambana roa tonta ary nampitondraina ny anarana hoe: " TANGALA MAINTY " Mba hampisy hasina ny zavatra atao sy fahafenoana ny tarika dia nampiditra " rappeur " iray fanampiny ny TANGALA MAINTY ka lasa fito ny isan'ny mpikambana ( isa feno teo amin'ny finoana malagasy ) taty aoriana.

 Ny anarana hoe " TANGALA MAINTY " dia avy amin'ny anarana mpanjaka atao hoe TANGALA MENA , izay manjaka any amin'ny faritra Atsimo Atsinanan'i Madagasikara. Nalain'ny tarika ny anarana mba entina hamelo maso ny fototra maha-malagasy sy ny fahitana ny hasina sy ny lanjan'ny fisian'ireo mpanjaka ireo eo amin'ny fiaraha-monina any amin'ny faritra. Ka ny mena novaina hoe mainty mba hanambarana ny firehi-kevitry ny tarika.  

Ny antony nifidianana io anarana hoe: " TANGALA " io dia noho:

 _ ny tehin'ny mpanjaka tangala mena izay manamarika ny fanakany, ny fahalehibeazany, sy ny fahendrena ary ny traikefa izay ananany amin'ny maha zokiolona azy.

 _ ny tehina midika hoe andry fototra manamarika ny aina eo anivon'ny fiaraha-monina iray.

_ Eo ihany koa anefa ny dikany hoe: Hazo mpanjaka be ny tany izay manan-kasina sy miaro eo amin'ny fiaraha-monina malagasy.

Ny loko MAINTY dia: _ mifanaraka tsara amin'ny firehan-kevitra nosafidin'ny tarika izay tantarainy amin'ny ankapobeny ao anaty tononkirany izany hoe: mainty midika ho aizina, toe-javatra mifono mistery toy ny fahafatesana. Ao ihany koa ny loko mitondra hery mampihorohoro sy miavaka amin'ny tontolon'ny alina.Manana ny " Logo " famantarana ny tarika Sary " épouventail " ao anaty karazana telolafy izay mitondra hevitra sy dikany maromaro. Epouventail: famantarana fisina " AINA " eo amin'ilay toerana, eo ihany koa ny hoe fitaovana entina ampitahorana. Amin'ny lafiny iray dia sarina litera " T " mitondra endrika " SEPTRE " manambara ny fahefany mpanjaka iray. Ny telolafy dia midika hoe Fanahy. Ny " Logo " dia midika hoe fahefan'ny Fanahy; ilay mpiandry sy miaro amin'ny etraketran'ny zava-poana mandavo ny tontolo hita maso.

un compteur pour votre site