Wu-Tang - Triumph - instrumental
Found at bee mp3 search engine
Free Web Hosting
compteur

 

 

Ny Tangala Mainty dia mandala ny tontolo " METAPHYSIQUE ": ny tontolo manodidina ny resaka " Fanahy ", ireo tontolo tsy hita maso, ny zavatra manandevo ny zanak'olombelona, ny momba ny herin'ny maizina maningotra ny fiainan'ny olona ety ambony tany ka mandefa azy ireo any amin'ny fahotana. Amin'izany dia tsy mampiasa fehezan-teny milaza mivantana ny hafatra ny Tangala, fa teny feno hevitra mifono " Metaphore " sy rima feno fandalinana no ampiasainy mba hampisehoana ny maha kolo-kanto ny RAP sy ho fanajana ny zavatra ataon'izy ireo. Ny TANGALA MAINTY dia toy ny karazana fitaratra eo anivon'ny fiaraha-monina: mamerina sy maneho ny fomba fihevitra, fihetsika, fisainan'ny olona any aminy mba entina hisainana sy ho fapitandremana azy ireo eo amin'ny fiainana ho avy na ety an-tany na ny any an-koatra .

 Ny Tangala dia sarotony amin'ny fandrafetana ny RAP izay ataony. Amin'izany mantsy dia tsy maintsy:

 _ feo-kira misy dikany miteny; maneho sy manambara sahady ny hafatra tiana hampitaina no kendrena.

_ misy ny fifandraisan'ny feo-kira amin'ny hevi-dehibe ( na ny Theme ) izay ho tantaraina sy hita taratra ao anaty tononkira. Izany hoe feon-kira iray miaraka tsara amin'ny hevi-dehibe iray ( " Theme bien approprié et congruent avec l'instrumental " ).

Marihina fa ny mpikambana " RAPPEUR " tsirairay dia samy mamorona sy manoratra ny zavatra tiany hambara ao anaty tononkira. Ny aigam-panahiny sy izay fomba fanehoany ny fahitany kosa dia tsy tokony hifanipaka amin'ny hevi-dehibe.

un compteur pour votre site